Ny angom-baovao voaray hatrany no nahalalana, fa ny sabotsy hifoha alahady faha-26 aprily taona 2026 lasa teo iny, tokony tamin’ny 05 ora maraina tany ho any no niditra amboletra tao amin’ny tananan’Ankijanitsivazay, any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, disitrikan’i Maevatanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka, ireo jiolahy niisa 14 nirongo basy valo. Tsy nisy alaharo, fa tonga dia nanapoaka ny basy teny aminy nentina nandemena saina ny olona iray tanàna tsy nivoaka ny tranony. Hany ka mora tamin’ny malaso ny naka ny omby tao am-bala. Taorin’izay dia nitsoaka nitondra ny omby efapolo isa sy zazalahy iray natao takalon’aina ny dahalo. Saingy efa hita ho lasa lavitra kosa vao nifamory nanao ny fanarahan-dia ny vatan-dehilahy, sady nampandre ny mponina any amin’ny fokontany manodidina azy ireo, ary niantso ny mpitandro ny filaminana, tamin’ny alalan’ny antso an-tariby. Rehefa nahazo fampandrenesana ny zazamainty, adian-tanora miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, ao amin’ny tananan’i Tsararivotra dia nanao ny sakana mety ho lalan-kizoran’ireo malaso.Tampoka teo anefa dia nifankatazana avy hatrany ny roa tonta, ka raikitra ny fifandonana. Maty voatifitra sy vaofira antsy nandritra izany ireo zazamainty dimy. Nanohy ny lalana nitondra ny omby kosa ny dahalo taorian’ny fifandonana. Taorin’ny antso an-telefaonina dia nihetsika ny zandary miasa any amin’ny » Poste Avancé » Bemokotrà, niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy avy ao amin’ny tananan’Ankijanitsivazay, nanohy ny fanarahan-dia. Nifanehatra tamin’ny malaso ireto farany ka raikitra ihany koa ny fifampitifirana tamin’izy ireo. Vokany: olona roa naratra voan’ny balan’ny dahalo, ary votsotra teo am-pelatanan’ireo tao anaty fifanjevonana ny zaza natao takalon’aina, saingy tafaporitsaka nitondra omby efapolo hatrany ireo jiolahy. Efa niverina any amin’ny fianakaviany ny takalon’aina, nentina notsaboina ao amin’ny hôpitalibe Morafenokely, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra ny olona roa naratra. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa mifanao ambody ambody ny dahalo sy ny zandary, izay ampian’ireo miaramila efatra amin’ny fanarahan-dia. Efa any amin’ny manodidina disitrikan’i Kandreho manome ny torimarika sy mitarika ny fanarahan-dia ny lehiben’ny zandary avy eto Maevatanàna.
Ratantely




