
Ao anatin’ny ezaka fametrahana ny fandriampahalemana amin’ireo faritra mafana eto an-drenivohitra, dia tontakely miisa efatra indray no voapaingotra teny amin’iny faritra Anosibe Tsena iny. Efa samy gaigilahy sy mpamerin-keloka avokoa ry zalahy ireto araka ny fampitam-baovaon’ny polisy.
Raha vao hoe Anosibe, indrindra fa iny manodidina ny tsena iny dia ry zalahy mpanendaka, mpangaraom-paosy, mpanao sinto-mahery no mby ao an-tsaina ka mahamailo ny tsirairay. Kanefa na dia mailo tahaky ny inona aza dia mbola mahita fika hatrany ry tontakely isany hanaovana ny asa ratsiny. Toy ny nitranga ny alatsinainy teo teny an-toerana. Samy teo am-panaovana ny asa ratsiny avokoa ireto efa-dahy ireto no voapaingotry ny polisy ary tsy afa-niala. Nahitana zava-maranitra isan-karazany tany amin’izy ireo tamin’ny fisavana, toy ny lame sy antsy. Ankoatry ny fonosana rongony isan-karazany.
Tsy hikoso-maso manoloana ny fadikan-dalana sy ny resaka tsy fandriampahalemana izahay hoy ny polisy ary manentana hatrany ny tsirairay amin’ny fanomezana marim-pototra. Mazava ho azy mantsy fa eny anivon’ny fiarahamonina eny ihany ireny tontakely ireny ary mety tsy vitsy ireo mahafantatra azy ireo saingy tsy sahy miteny.
m.L




