- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversGen Z : Navotsotra ireo roa nosamborina

Gen Z : Navotsotra ireo roa nosamborina

Amin’ny andro amin’ny iray ora maraina no nivoaka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpanao famotorana. Napetraka ho eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana i Karine sy Rija, ireo mpikamban’ny Gen Z. Afaka namonjy fodiana arak’izany izy roa saingy tsy maintsy mandalo eny amin’ny fitsaràna isan-kerinandro. Ankoatr’izay dia tsy afaka ny mandia ny faritanin’Antananarivo ary tsy mahazo maneho hevitra. Sasantsasany ihany ireo fa mbola maro ny fahafahana voafetra rehefa mipetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsaràna. Izany dia mandra-pahatongavan’ny fotoam-pitsaràna ary koa mandra-pivoakan’ny didy. Etsy ankilan’izay dia mbola mitohy ny fanadihadiana lalina izay hataon’ny mpitsara mpanao famotorana amin’izy ireo sy ireo izay efa voasambotra ka navotsotra ary napetraka eo ambany fanaraha-maso. Isan’izany I Herizo izay mpitarika ireo tanora. Mpisolovava nilatsaka an-tsitrapo no miaro an’izy ireo amin’izao ady ara-pitsaràna izao. Ho an’ny Dokotera Karine sy Rija dia naharitra alina tontolo ny alatsinainy teo ny fakàna am-bavany azy ireo. Samy niaritra teo avokoa na ny mpisolovava na ny olona akaiky ary samy nitaintaina. Afak’ady ihany aloha rehefa afaka nody nony avy eo saingy mbola mipetraka eo amin’ny tenda ihany ny sabatra mandra-pahavitan’ny fitsaràna izay mbola tsy fantatra hatreto ny daty hanombohany. Mbola eo amin’ny fanadihadiana lalina ny an-tanan-tohatra. Ahiana ho lava arak’izany ity raharaha Gen Z ity. Raha tsiahivina dia efa ho roa herinandro izy ireo no notazomin’ny mpiandro ny filaminana ary natao fanadihadiana savaranonando. Notaperina mihitsy izany ny fetr’andro hahafahana mitazona rehefa raharaha mafana toa ny fikasàna fanonganam-panjakana fa fanohitohinana filaminana anatin’ny firenena. Arahin’ny maro akaiky hatrany ny raharaha momba ny Gen Z satria raha ny marina dia izy ireo sisa no hery fanoherana misy ankehitriny.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici