Maro no tsy nanampo sy tsy nahalala fa avy ao Ambomimiarivo distrikan’ Antsirabe faharoa ny fiavian’ny filohan’ny fanavaozana. Tonga nitsidika ny tanana niaviany ny filoha mivady notronon’ireo mpiara miasa aminy ny faran’ny herinandro lasa teo. « Nosafidiko manokana ny andro androany hitsidihana ny kaominina Ambomiarivo satria raha tsy ity tanana ity aho dia mety tsy tody tamin’izao toerana izao » io no lahateniny tamin’ny nandritra ny fivahinianany tao Ambomiarivo. Zanaky ny Kaomininia Ambohimiarivo aho hoy izy, avy ao Ambohimena Betsiolany no fiavian’ny Reniben’ny Reniko. Tsy nitondra tanam-polo ny filohan’ny fanavaozana ny kolonely Randrianirina Michael fa ho valim-bambena ho an’ireo mpiara belona, dia nanolotra fanomezana toy ny vary, menaka, savony, siraramamy, vary, siramamy, lamba firakotra , milina fanjaraina sy seza misy kodiarana ho an’ireo olona manana fahasembanana sy savatra maro samihafa. Fokontany fito ao anatin’ny Kaominina Ambohimiarivo no nisitraka ireo fanampiana avy amin’izy mivady ireto. Ankoatra izay, nambaran’ny filohan’ny fanavaozana ihany koa fa hasiam-panamboarana ny lalana, ny sekoly sy ny tobim-pahasalamana izay hita fa tena efa simba tokoa, ary hojerena manokana ny olon’ny jirama izay mitranga any an-toerana. Niara-dia tamin’ny Filohan’ny Fanavaozana Mivady ny Mapnolontsina Avon’ny Fanavaozana ny Colonel RAMAPANAROVO Thierry teo ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta ny Ministry ny Mponina sy ny Firaisankina ary ny Ministry ny tanora sy ny fanatanjahantena .
Andry N.




