- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimahitsy : Mpivarotra voaroba 206 tapitrisa Ariary

Ambohimahitsy : Mpivarotra voaroba 206 tapitrisa Ariary

Ny 20 aprily teo no nitranga ny fanafihana. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina no nandroba ny mpivarotra enta-madinika iray eo Ambohimahitsy ny valo lahy mitam-basy. Kalachnivov sy pistolet no nentin’ireo tamin’ny fanafihana. Nisy ny niditra tao anatiny ary nisy ny niandry teo ivelan’ny fivarotana. Nambanana basy ny mpivarotra sy izay olona tao anatiny. Noterena ny namoaka ny vola rehetra tao anaty fitoeran’izany. Nitsoaka nandeha scooter ireo olon-dratsy vantany vao azo ny vola izay mitentina manodidina ny 20 tapitrisa ariary. Vao nipetraka ny fitoriana dia nanokatra fanadihadiana ny zandary eo anivon’nu tobim-paritra Ambohimangakely. Efatra taty aoriana dia efa nisy telo voasambotra. Mpibata entana mbola am-perin’asa sy hafa efa voaroaka ireo ary notazomina ho atidoha nikotrika ny fanafihana. Ireo indray no nanondro ny namany avy eo ary tafiakatra 15 ny voasambotra. Mbola misy telo hafa karohina. Nanampy betsaka tamin’ny fahafantarana ireo olon-dratsy ny fisian’ny « caméra de surveillance » tamin’ilay toerana. Ny ampahafolon’ny vola no hita teny amin’ireo voasambotra ary mitentina 20 tapitrisa Ariary mahery kely izany. Efa lanin’ireo jiolahy tamin’ny fividianana entana sy firobarobana ny ankamaroany ary mbola mety misy hafa miparitaka any. Mbola mitohy ny fanadihadiana ity raharaha fanafihana mitam-piadiana tetsy Ambohimahitsy ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici