- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67 Ha : Natosiny teny amin'ny rihana fahatelo ny vadiny

67 Ha : Natosiny teny amin’ny rihana fahatelo ny vadiny

Nitangorona ny olona, liana tanteraka.

Nitangorona ny olona sady lasa saina omaly maraina. Ny antony dia ny fahitàna faty nihoson-drà teo amin’ny arabe. Tsy nisy nahita anefa hoe inona ny zava-nitranga ka nahafaty ilay rangahy. Elaela vao samy tonga saina fa nilatsaka avy any ambony ary avy ao anaty trano ny antony. Rehefa nandeha ny fanadihadiana ifotony izay vao fantatra fa nisy fifamaliana teo aminy sy ny vadiny. Vokatr’izay, natosik’ilay vehivavy avy eny amin’ny rihana fahatelo ilay rangahy vadiny. Nianjera teo amin’ny arabe ary maty tsy tsa-drano. Nampandrenesina ny mpitandro ny filaminana izay tonga haingana teny an-toerana. Rehefa izany dia nidirana ny trano ary mbola tratra tao ilay ramatoa. Nentina haingana teny amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana izy ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany noho ny vonoan’olona izay mbola hofaritana raha niniana na tsia.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici