- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsarahonenana-Maevatanàna : Dahalo iray no azon'ny Zandary sy ny fokonolona sambom-belona

Tsarahonenana-Maevatanàna : Dahalo iray no azon’ny Zandary sy ny fokonolona sambom-belona

Anisan’ny mitady ahazo vahana ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna indray ny asan-dahalo, saingy tsy mikely soroka amin’ny fiantohana ny filaminam-bahoaka ny Zandarimariam-pirenena miasa ato anatin’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka, manoloana ny fikasan-dratsin’ireo tsy mataho-doty, amin’ity resaka tsy fandriam-pahalemana ity. Ny angom-baovao voaray hatrany no nahalalana, fa ny alin’ny 29 Aprily hifoha faha 30 Aprily taona 2026 teo, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any, dia nisy nampandre tamin’ny antso an-taribia ny Zandary, rehefa naheno sy nahita ny fisian’ireo jiolahy niisa efatra nitam-piadiana basy vita gasy sy zava-maranitra tao amin’ny tanànan’i Tsarahonenana, any amin’ny kaominina ambanivohitra Andriba, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ireo mpanao andromasom-pokon’olona, izay vao nahazo fiofanana nandritra ny fanentanana nataon’ny mpitandro ny filaminana azy ireo. Vantany vao naharehy ny vaovao mikaisika izany ny Zandary, dia niditra an-tsehatra avy hatrany, tamin’ny alalan’ny sakana natao, amin’ny mety lalan-kizoran’ireo malaso nitondra omby niisa valo sy ny entana maro samihafa. Raha ny vaovao voaray dia nandositra nianatsimo andrefana, niaraka tamin’ireo zavatra azony, tao amin’ny tanàna voalaza etsy aloha ny olona-dratsy. Nandritra izany no efa nahatsikaritra azy ireo ny mpitandro ny filaminana sy ny vatan-dehilahy, ka nanaitra tamin’ny tifitra indray mandeha mialoha. Any ka nikoropaka ireto farany, sady nitari-dositra nanavotr’aina tamin’ny hazakazaka. Teo no eo ihany dia niroso tamin’ny fanenjehana ny Zandary sy ny fokon’olona. Vokany: Jiolahy iray no azo sambom-belona niaraka tamin’ireo omby valo sy ny entana halatra, raha tafaporitsaka ny telolahy namany nitondra ny fitaovam-piadiana. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra, fa efa nomena ny tompony avokoa ny entana sy ny omby niisa valo, nalain’ireo tsy mataho-doty no nitanana natao famotorana ihany koa ilay jioalahy tra-tehaka. Mitohy kosa ny fikarohana ataon’ireo mpitandro ny filaminana ireo dahalo ambiny tafaporitsaka.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici