- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVontovorona : Mpivady niara-namaky trano, tra-tehaky ny zandary

Vontovorona : Mpivady niara-namaky trano, tra-tehaky ny zandary

Dia notanterahan’izy mivady ireto ny hoe « na amin’ny tsara na amin’ny ratsy ». Saingy tany amin’ny ratsy aloha izao no niaraha-nanao dia izao tratra izao. Mpivady kely iray no voasambotry ny zandary avy etsy Fenoarivo ny alahady lasa teo. Tra-tehaka teo am-pamakiana tokatrano iray teny amin’iny faritra Vontovorona iny izy ireo. Ny loza dia noezahin’izy ireo « nofafàna » tsy nisy tavela intsony tao amin’ilay trano. Araka ny fampitam-baovao azo dia ankevitry ny efa fantapantatr’ireto olon-dratsy ireto ny fahazaran’ireo tompon-trano. Tamin’io andro alahady io mantsy dia tsikaritr’izy ireo tsara fa lasa nivavaka tany am-piangonana ny tao an-trano rehetra. Ary mety efa fantatr’izy ireo tsara ihany koa fa mety ho elaela ny fotoam-pivavahana ka dia nanararaotra tsara izy ireo nibata ny entana rehetra tao an-trano, rehefa avy niditra an-keriny. Tsy nisy namelan’izy ireo nanomboka tamin’ny entana lafo vidy ka hatramin’ny lambalamba isan-karazany sy fitaovana maro isan-karazany. Nanam-potoana betsaka tokoa izy roa namoaka izany. Ireo tompon-trano niverina avy any am-piangonana, nahita ny trano foana tanteraka no nampandre avy hatrany ny zandary. Raikitra ny fitsongoana dia sy ny fikarohana. Teny Anosizato, teny an-dalana hitsoaka izy mivady ireto no tra-tehaka. Mbola teny amin’izy ireo daholo ny entana halatra. Mazava ho azy fa tsy nisy alaharo alaharo fa dia nentina niverina nihazo ny biraon’ny zandary izy roa ho amin’ny famotorana. Efa samy natolotra ny Fampanoavana moa izy ireo ka dia samy efa mibaby ny zava-dratsy vitany eny Antanimora eny, araka ny vaovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici