Raim-pianakaviana iray no hita faty tsy lavitry ny tananan’i Mangarano, kaominina Alarobia Ambatomanga, distrikan’i Manjakandriana, ny talata maraina lasa teo. Raha ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo dia maty vokatry ny fahasemporana tao anaty rano ity lehilahy ity.
Ny marainan’ny talata io, tokony ho talin’ny sivy ora tany ho any tokoa mantsy no nahazo antso ny zandary mahakasika ity olona hita faty. Tao anaty dobo, antsoina hoe Antatamo no nahitana azy ary efa nampiakarin’ny fokonolona an-tanety ny razana. Tsy nahitana ratra na zavatra hafa nampiahiahy teny amin’ny vatany taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo, na dia hoe niboridana tanteraka aza ny razana. Ny fitafiany sy ny fitaovany hafa, niaraka tamin’ny bisikletany moa dia tsy lavitra teo. Teo amoron-drano ary tsy nisy nipika na dia iray aza. Vinavinaina ho nandeha nandro tao amin’io dobo io araka izany ilay rangahy izao tra-doza izao. Tany an-toerana moa dia niahiahy ireo mponina fa mety ho “nentin-javatra nilentika izy, antony nahafaty azy”. Voalazan’izy ireo mantsy fa be fadifady, ary “tena masia-dolo” izany toerana izany, fa indrindra ily dobo nahitana ny vatana mangatsiakan’ilay raim-pianakaviana.
Marihina fa ny zoma lasa teo ity rangahy ity no niala tany aminy, tao Ambatomboahangy, fokontany Andrianony, kaominina Alarobia Ambatomanga, fa hoe hamangy ny zanany aty an-drenivohitra. Nanao ny hiverina ny alatsinainy ihany saingy mbola nivily lalana nijery ny zanany hafa. An-dalana hamonjy ny tananany izy io tra-doza io.
Na izany na tsy izany anefa, satria misy ny aina nafoy, dia misokatra eny anivon’ny zandary eny an-toerana ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity, ary ny zana-tobim-paritry ny zandary ao Alarobia Ambatomanga no misahana izany.
m.L




