Fanafihan-dahalo hafakely sy mampihoron-koditra no nitranga tao Ambositra, omaly. Mpitondra kamiao roa lahy, izay an-dalana hihazo an’Ambatofinandrahana no niharan’izany tany an-toerana. Tsy vitan’ny niharan’ny fanafihana anefa izy ireo fa mbola niharan’ny fitsaram-bahoaka ihany, satria noendrikendrehan’ireo nanafika azy ireo ho olon-dratsy. Potika tanteraka sy nivoa-drà ny tarehin’ilay iray, raha naratra teo amin’ny lohany kosa ny iray. Ireo no sary niparitaka haingana tao anaty tambajotra omaly, araka ny ranty nalefan’i Gege T.S, izay voalaza fa « camionneurs », niharan’ny fitsaram-bahoaka rehefa avy notafihan’ny dahalo. Araka ny ranty navoakan’ity mpisehatra eo amin’ny fitaterana ity hatrany dia an-dalana hihazo an’Ambatofinandrahana ny fiarabe nentin’izy roa lahy ireto. Teo Ambositra anefa, tamin’iny lalana mankany Ambatofinandrahana iny no vaky kodiarana izy ireo ka voatery nijanona. Tamin’izay no voalaza fa nohararaotin’ny jiolahy notafihana. Lasa avokoa ny entana sy ny vola, raha ny voalaza hatrany. Ary tsy vitan’izay fa io mbola nolazaina fa jiolahy io ka nianjeran’ny hatezeran’ny fokonolona. Naratra mafy izy roa lahy ary efa nomena fitsaboana. Saingy miantso ny fitondram-panjakana kosa ity mpitatitra ity mba hijery akaiky ny zava-nisy sy ny fandriampahalemana satria dia mihatra aman’aina ny toe-java-misy raha izao, hoy izy. Raha nanontaniana mahakasika ity tranga ity moa ny zandary tany an-toerana, na ny avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Ambositra izany na teny tany Ambatofinandrahana dia samy nilaza fa tsy mbola nahare ny fisian’ilay tranga izy ireo tao amin’ny faritra hiadidian’izy ireo tsirairay avy. Na izany aza, nanamafy ny tao amin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary tao Ambatofinandrahana fa efa ela izy ireo no nanao hetsika manokana hisorohana ny tranga tahak’izao sy ny resaka tsy fandriampahalemana ary mbola mitohy hatrany izany any an-toerana.
m.L




