Olana goavana izay miantraika amin’ny fiainam-piarahamonina. Olana tsy voavahan’ny mpitondra nifanesy hatreto. Tsy inona izany fa ny fitsaboana ireo mararin’ny voa. Raha ny marina dia tsy azo tsaboina intsony io taova io rehefa tonga amin’ny dingana ambonimbony. Vokatr’izay dia tsy maintsy hatao « dialyse » ny marary, hampiasaina ny fitaovana hanadiovàna rà. Eo indrindra no mipetraka ny olana. Voalohany, lafo ny sarany. Manodidina ny 300.000 Ariary isaky ny mandeha, ny olona iray anefa dia mila hatao izany intelo isan-kerinandro (arakaraky ny fitrangany) ary izany dia mandra-pahafaty satria tsy azo tsaboina intsony ny voa matoa tonga amin’ny fampiasàna fitaovana hanoloana ny asany. Betsaka ny olona no manapa-kevitra ny mody ary miandry izay higadonan’ny ora farany, noho ny tsy fanànana enti-manana hiatrehana ny « dialyse ». Misy koa ireo mivarotra izay anànana kanefa rehefa tena mandeha ny fotoana dia reraka ihany ny eo am-pelatànana. Misy koa ireo izay vao fantatra ny aretina dia niala mandeha any ivelany avy hatrany ary aleony any kokoa no manao « dialyse ». Ny antony mantsy dia misy ny hopitaly izay mandray an-tànana ny marary ary tsy mametraka olana amin’ny fandoavana ny saran’ny fitsaboana satria any amin’ny firenena mandroso dia tsy maintsy raisina izay marary na iza izy na iza. Matetika dia misy fikambanana manamarina ary manamora ny fampidirina anaty lisitry ny marary tokony hotsaboina maimaimpoana koa ho an’ireo izay lasa any ivelany. Saingy izany dia azo lazaina fa ho an’ireo izay « mahitahita » aloha. Tonga hatramin’ny fanoloana ny voa matetika raha sendra mahita voa mitovy sokajy amin’ny marary na koa misy havana manome voa. Ho an’ny eto Madagasikara indray dia misy ireo miala ny hopitaly ary manatona ny mpitsabo nentim-paharazana, mitsabo amin’ny tambavy. Io koa dia tsy mbola nisy ny vavolombelona nijoro vavolombelona fa sitrana tanteraka. Fitazoman’aina kely ihany angamba. Ho an’ny mpiasam-panjakana indray dia misy ihany ny fandraisana an-tànana izay adidisika be koa izay vao tafiditra anaty lisitra. Ny zava-misy dia toa tsy niompanana mihitsy ity olana iray ity. Any Inde ny manam-bola matetika no mandeha rehefa hanolo voa. Amina miliara ny saran’izany ary mila miverimberina matetika. Eto amintsika indray dia tsy mbola misy lalàna momba ny fanoloana voa, no koa tsy misy manam-pahaizana manokana. Inona no tsy hiompanana amin’izany : hampianarina ny manam-pahaizana ary ovaina ny lalàna? Mety mba misy ny olona vonona hanome ny voa iray ho an’ny akaiky azy mba ho samy velona na koa ireo olona efa ho faty kanefa tsy marary voa ka vonona hanome ny taovany (voa) mba ho fanavotana olon-kafa ho velona. Be loatra ny miandry fahafatesana ary tsy afa-manoatra noho ity olana ity. Miandry fanavaozana ny maro.
D.R




