Fiara tao anaty « parking » fa mbola nahitan’ity tontakely ity hirika ny nangalatra ireo kodiarana efatr’ilay fiara. Efa maty paika rahateo ny kajy, satria efa tonga niaraka tamin’ny fiara mihitsy ingahy, hitondràny ireto entana halatra ireto. Soa ihany, tra-tehaka ambodiomby.
Ny alin’ny alakamisy teo no nisehoan’ity tranga ity tetsy Ambatoroka, tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany maraina tany ho any. Fiara « express » iray nijanona teo amin’ny parking no lasibatra. Tsy nisy naheno aloha ny fomba nangalarany ireo kodiarana sy nanaovany « sur cale » ilay fiara fa izy efa teo am-pampidirana ireo kodiarana avy nangalariny tao anatin’ny fiara nentiny no hitan’ny mpiambina. Nosakanan’ilay mpiambina avy hatrany ingahy saingy tsy nanaiky mora. Namaly ary nandratra mihitsy ity mpiambina ity, araka ny fampitam-baovao azo. Soa ihany anefa, nisy pôlisy nanao fisafoana tsy lavitra teo izay efa nampandrenesina ary niditra an-tsehatra avy hatrany. Tsy afa-niala intsony ingahy mpangalatra fa dia noraisim-potsiny. Nosamborina ary nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria sy notanana natao famotorana. Mazava azy ho fa nogiazana niaraka tamin’izay ihany koa ny fiara nentiny nangalatra.
Miha-mirongatra mihitsy amin’izao ny vaky trano sy ny fiara. Miantso hatrany ny rehetra ho mailo ny mpitandro filaminana. Mazàna tokoa mantsy dia manodidina ny amin’ny iray sy amin’ny roa ora maraina eo ho eo no tena fiasan’ireo tontakely. Manentana hatrany ny tsirairay araka izany izy ireo tsy hisalasala hiantso azy ireo vantany vao misy tranga mampiahiahy.
m.L




