- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-Divers« Camionneurs » niharan’ny fitsaram-bahoaka : Nitondra fanazavana ny tompon’ny fiara

« Camionneurs » niharan’ny fitsaram-bahoaka : Nitondra fanazavana ny tompon’ny fiara

Araka ny efa notaterina tamintsika teto, dia nisy trangana fanafihana hafakely, izay napitondra faisana « camionneurs » na mpitondra kamio, izay misehatra amin’iny distrikan’Ambositra iny. Tsy vitan’ny efa voaroba izy ireo mbola nolazaina ho dahalo ihany koa ka niharan’ny fitsaram-bahoaka. Hatreto dia mbola misy iray amin’izy ireo, izay tena voa mafy tokoa noho izay daroka sy vono nahazo azy izay, no mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hôpitaly amin’izao, araka ny fanazavana nentin’ny tompon’ny fiara, izay azonay antso. Marihana fa niteraka resa-be teo anivon’ny tambazotra sosialy ity tranga ity taorian’io ny faran’ny herianandro teo ary nifamafaho be ihany.

Raha ny zava-nisy araka ny fanazavana nentin’ity tompon’ny fiara voatafika ity dia ny sabotsy 02 may lasa teo no nitranga io toe-javatra io. Niasa nitaona saribao tao an-toerana ny fiarany tamin’io fotoana ary handeha hiakatra ho any Ambositra. Teo amin’ny lalana mampitohy ny kaomina Imady sy Ambositra anefa no vaky ny kodiaran’ilay fiara, teo amin’ny tanana antsoina hoe Ambalamahasoa, tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any. Nijanona nanamboatra ireo « ekipazy » hoy hatrany fanazavana. Tamin’izay fotoana izay no nisy andian’olona maromaro tonga avy, nilaza fa very zavatra ary nanontany an-dry zareo. Tsy vitan’ny fanontaniana anefa fa nohiahian’ireto andian’olona ireto ho mpangalatra avy hatrany izy ireo. Na dia niezaka nanazava aza ireto farany dia tsy te hahafantatra an’izay ireo andian’olona, hoy hatrany ny fanazavana. Niainga ny daroka sy vono mandra-pahatonga teny amin’ilay fokontany. Vao maika moa niampy izany rehefa namory fokonolona ireo andian’olona fa nahatratra mpangalatra. Nisy ny nively tamin’ny hazo ary nisy ireo nikapa tamin’ny famaky.

Nisy sasany tamin’ireo fokonolona ary anisan’izany ny tompon’andraikitry ny fokontany nandamina ireo andian’olona namono ihany saingy tsy naharesy tosika azy ireo. Ny roa tamin’ireto mpitondra kamio ireto no tena voa mafy ary efa noheverin’ireo mpidaroka azy fa maty mihitsy, izay vao navelany. Niala teo izy ireo rehefa avy nanala ny fony sy naka ny finday sy ny vola tany amin’izy ireo. Nisy naman’ireo mpitondra kamio ireto moa tafiala teo amin’ireo andian’olona ka ny maraina vao afaka niantso vonjy sy nitondra ireo naratra nihazo ny hôpitaly tao Ambositra.

Marihana fa sarotra dia sarotra ny fifandraisana tany an-toerana ka somary elaela mihitsy fa nisy ny fampilazana tany amin’ny mpitandro filaminana. Na izany aza efa nandray an-tanana ny raharaha ny tompon’andraikitra ny filaminana. Efa nisy ny fidinana ifotony sy ny fanokafana ny fanadihadiana, izay mbola mitohy any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici