- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMorondava : Mpianatr’Ankatso iray maty an-drano

Morondava : Mpianatr’Ankatso iray maty an-drano

Tovolahy 24 taona, mpianatra avy eo anivon’ny lalam-piofanana sosiolojia, eny anivon’ny Oniversitén’Antananarivo no namoy ny ainy omaly tany Morondava. Araka ny fantatra dia nanao voyage d’etude tany an-toerana ireo mpianatra ireto no izao tra-doza izao. Niaraka nilalao ranomasina teo amin’ny tora-pasik’i Kimony avokoa izy ireo tamin’io fotoana io. Tokony ho tamin’ny folo ora atoandro tany ho any anefa no nentin’ny rano lasa lavitra ny tora-pasika ny telolahy. Ny roa tamin’izy ireo no nalaky avotra rehefa niantso vonjy ireo mpiara-mianatra. Ary nentina avy hatrany nihazo tobim-pahasalamana. Ny iray kosa mbola nokarohina fatratra. Nifandrimbona tamin’izany ny teo mpitandro filaminana, ny mpamonjy voina teo anivon’ny tafika ary ny fokonolona teny an-toerana. Efa ho adin’ny iray taty aoriana fa hita ilay tovolahy saingy efa vatana mangatsiaka sisa no natsingevan’ny rano. Omaly ihany koa moa dia efa nentina niakatra taty an-drenivohitra ny razana. Nampitsiahy hatrany ny tompon’andraikitra ny tokony hitandreman’ny tsirairay, indrindra fa amin’ny resaka rano any amin’ny faritra sasany eto amintsika. Betsaka amin’izy ireny no misy fadiny ka tokony hanontany ny tompon-tany sy hanaja izany ireo mpivahiny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici