
Miroso miandalana amin’ny fametrahana ny olony eny anivon’ny ministera isan-tsokajiny ny fitondrana fanavaozana. Efa maro ireo sampandraharaham-paritra teto Vakinankaratra no nahavita ny famindram-pitantanana.
Ho an’ny ministeran’ny serasera sy kolontsaina, tontosa ny herinandro lasa teo ny famindram-pitantanana tamin’ny Rtoa Rina Rabakoarimanana tale teo aloha, sy Atoa Herilala Randrinaivoson tale vaovao. Tsy vahiny eo amin’ny sehatry ny serasera ity farany, efa nisehetra taona maro tamin’izany teto Antsirabe, niasa tamin’ny onjampeo maro ary efa niasa tao amin’ny sampandraharan’ny seraseran’ny faritra.
Fahavononana hiasa, hanaraka ny drafitra napetraky ny fitondrana mba hipetrahan’ny tena fanavaozana, isan’ny lahatenin’ny tale vaovao izany tamin’ny fandraisam-pitenenany. Tao amin’ny tranoben’ny kolontsaina no nanatontosana ny lanonana natrehan’ny lehiben’ny faritra sy ny solombavambahoaka avy ao Antanifotsy.
Andry N.




