- Publicité -
jeudi, septembre 10, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsBarikadimy Toamasina : Natolotra ny mpianatra ireo fanitso 3000 mahery sy ireo...

Barikadimy Toamasina : Natolotra ny mpianatra ireo fanitso 3000 mahery sy ireo fitaovana samy hafa

Natolotra ny alahady teo ireo fanitso sy fitaovana maromaro ho an’ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo Barikadimy Toamasina. Araka ny fantatra dia avy amin’ny filohan’ny fanavaozana Atoa Randrianirina Mickael izy ireto, ho fanatanteraha ny toky natao tamin’ireo mpianatra ka nanolotra izany ny solombavambahoaka filoha lefitra avy amn’ny faritan’i Toamasina sy ny BNGRC. Nahitana fanitso “galva” 2.772 mirefy 05m sy fanitso “fine” niisa 440 ary “panne en fer” niisa 734… ary “anti-rouille” mifatra 126 litatra. Voalaza fa entina hanarenana ny CONACO sy ny “Maison Blanche” miisa 22 ao amin’ny oniversiten’i Toamasina Barikadimy ireto fanomezana ireto. Niatrika izao fanomezana izao ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena faritany Toamasina, ny lehiben’ny faritra Atsinanana, ny lehiben’ny fileovana Toamasina, ary tale jeneralin’ny BNGRC, notronin’ny mpandritra ankapobeny ny tanànan’i Toamasina taorian’ny rivodoza farany iny. Nilaza ireo olona rehetra ireo fa ho fijerena manokana ny mpianatra, sy ny fitsinjovana noho izao ho antoky ny ho avin’ny fampandrosana ny firenena no nanaovany fanjakana ezaka manampy azy ireo tahaka izao. Tokony ezana mafy izy ireo noho izany mba tsy ho very momoka ny fanampiana samy faha ho fitsinjovana ireto mpianatra, hoy ny lehiben’ny faritra atsinanana. Naneho hafaliany hono izany ireto mpianatra no nilaza koa hanatsara sy fianariny mba tsy ho henatry ny fianakaviany sy ny firenena mikarakara azy ireo ankehitriny.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici