
Narary tampoka teny an-dalana ity tovolahy nilanja sakaosy ary nezahina novonjena tany amin’ny tobim-pahasalamana. Nosavaina ny sakaosy nentiny mba hamantarana ny momba azy kanjo fonosana rongony an-jatony no tao anatiny … Tranga niseho teny Andoharanofotsy ny faran’ny herinandro teo.
Ny sabotsy tokony ho tamin’ny mitataovonona tany ho any no nampandrenesina ny zandary fa misy tranga ho an’izy ireo ao amin’ny hopitaly iray teny an-toerana. Tamin’io fotoana io mantsy no nisy olona naterina fiara fitaterana iray tao amin’io tobim-pahasalamana io. Narary tampoka ity olona ity ary efa tsy nahatsiaro tena intsony. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo dia vokatry ny fisotroana diso tafahoatra izany, niampy tsy fahampian-tsakafo. Tsy fantatra mazava ny momba azy ka niantsoana ireo mpitandro filaminana. Niroso tamin’ny fisavana ny entany ireo zandary ka akory ny hatarain’izy ireo raha nahita ireto fonosana rongony maina (bômba) marobe tao anatiny. Nahatratra teo amin’ny 142 isa teo izany ary manodidina ny iray kilao latsaka teo. Ankevitry ny vao hivarotra mihitsy ingahy raha ny fahitana azy.
Natao moa ny famonjena azy aloha ary avotra soa aman-tsara ingahy. Niainga taorian’io amin’izay ny fanadihadiana ny zandary mahakasika ity rongony marobe ireto. Mazava ho azy fa taorian’ny hopitaly dia efa niandry an’ingahy indray ny biraon’ny zandary ho amin’ny famotorana ary, azo heverina, fa aorian’izay ny fonja. Hatolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny rahahara hoy ny vaovao aorian’ny fakana am-bavany azy.
m.L




