- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversJean Nirina : Henoin'ny zandary etsy Fiadanana anio

Jean Nirina : Henoin’ny zandary etsy Fiadanana anio

Izy tenany no nampahafantatra ny besinimaro. « Taitra tampoka aho taty am-panaovana adidy amin’ny fianakaviana aty Arivonimamo raha naharay antso avy amin’ny zandary ao ao Fiadanana fa misy famotorana maika hatao ahy. Vonona hiseho aho ary rahampitso (anio) maraina amin’ny valo ora no ho avy eny », raha araka ny hita tamin’ny fizarany amin’ny tambajotran-tserasera. Ity tranga ity dia nialohavan’ny fifanazavany tamin’ny depiote teo aloha an’ny boriborin-tany misy azy. Nohazavain’i Jean Nirina Rafanomezantsoa araka izany ny fanahiany fa mety ho ny olona voalaza no ao ambadik’ity fampiantsona azy ity. « Omaly (alarobia) tontolo ny solombavambahoakanay teo aloha, izay efa tena mpankahala ahy, no nilaza fa betsaka dosie aho ka tsy maintsy hogadrainy, ary hampidiriny amin’ny resaka Raissa sy Député Raholdina. Endrikendrihina ho hanongam-panjakana sy hoe mitarika vahoaka hikomy, izay efa  nanaovany « publication » raha ny fizaràna nataon’ity sefo fokontany naato tamin’ny asany ity. Mahakasika ny fanalàna azy tamin’io andraikitra io koa dia nohazavain’i Jean Nirina fa : « tsy izaho irery no nesorina fa izahay 32 ato amin’ny boriborintany fahaefatra, ary efa niteny mazava tamin’ny lehibeko aho fa vonona hiroso amin’ny famindram-pahefana ». Amin’ny lafiny politika dia mahita ny mpanara-baovao fa mitohy hatrany ny fihazàna ireo « forongony » eo anivon’ny fitantànana. Miainga any anaty rafitra rehetra any ka tonga hatrany amin’ny fahefana madinika toy ny lehibem-pokontany. Mitodika eny amin’ny biraon’ny zandary miandraikitra raharaha heloka bevava etsy Fiadanana indray ny mason’ny mpanara-baovao anio momba ity raharaha Jean Nirina Rafanomezantsoa ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici