- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosipatrana : Tovolahy niaraka tamin’ny zanany, novonoin’izy mivady

Anosipatrana : Tovolahy niaraka tamin’ny zanany, novonoin’izy mivady

Efa tsy niaraka intsony izy ireo, saingy ankevitry ny mbola tsy matin’ireto ray aman-drenin-drazazavavy ireto lolo ny nataon-dratovolahy. Ka dia nitadiavan’izy ireo hevitra ny hamonoana azy ho faty. Mbola tsy ampy taona ihany koa ilay razazavavy tamin’ny fotoana niarahan’izy ireo.

Tranga vono olona nahatsiravina niseho teny Anosipatrana teny ny herinandro lasa teo. Araka ny nambaran’ny polisy dia efa ela no nikotrehan’ireo ray sy renin’ily vehivavy ireto ny zava-doza tao an-tsainy tao. Niroso tamin’ny fanantanterahana izany izy ireo ny zoma 8 mey lasa teo. Tamin’io fotoana io mantsy dia nasain-dratovovavy ho eny amin’ny Trano Dimy Anosipatrana ny lehilahy. Izy roa efa tsy miaraka intsony ary efa feno 18 taona ny vehivavy. Tamin’ny fito ora sy sasany hariva ny fotoana ary tonga teny ingahy, izay mety mbola manimanina. Andian’olona maromaro anefa no efa niandry azy teo ary anisan’izany ny sakaizan’ilay tovovavy amin’izao sy ny rainy. Tsy nisy alaharo alaharo moa, araka ny vaovao fa avy hatrany dia niainga ny daroka, niampy tsindrona antsy. Maty tsy tra-drano ilay tovolahy.

Marihina fa nisy nahita ny zava-nisy ary nampandrenesina avy hatrany ny polisy. Tonga teny an-toerana moa izy ireo saingy efa rà nandriaka no hita ary ny vatana mangatsiakan’ilay novonoina. Niainga teo avy hatrany ny fanadihadiana ka nisamborana ireo tompon’antoka. Izay tsy iza fa ilay tovovavy, ny reniny, ny rainy, ny sakaizany ary mpiray tsikombakomba hafa tamin’izy ireo. Ary mbola misy hafa araka ny fampitam-baovaon’ny polisy, izay efa fantatra ary tsy maintsy ho tratra. Firaisana tsikombakomba sy vono olona efa nomanina no anenjehana azy ireo. Izy ireo izay efa niara-nanaiky rahateo ny heloka bevava nataony.

Ny alarobia teo moa izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja vonjimaika, araka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpanao famotorana, miandry ny fotoam-pitsarana. Nanentana hatrany moa ny polisy fa eo foana izy ireo ho an’ny zavatra mampiahiahy. Ary raha misy disadisa sy ny tsy fifanarahana, hoy izy ireo, dia tsy misy tsara noho ny fifampiresahana ary raha tsy vitan’izany dia afaka mametraka fitoriana eny amin’izy ireo. “(…)raha misy karazan-kerisetra miseho, na ara-batana na ara-tsaina, mba hahafahana mandray fepetra sy misoroka ny valifaty na hevi-dratsy mety hitarika amin’ny heloka bevava”.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici