- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOniversite Barikadimy Toamasina : Natolotra ny mpianatra ireo fotodrafitrasa 10 narenina taorian’ny...

Oniversite Barikadimy Toamasina : Natolotra ny mpianatra ireo fotodrafitrasa 10 narenina taorian’ny rivodoza

Ny alarobia teo no natolotra ny filohan’ny oniversite Barikadimy Toamasina sy natolotra ny mpianatra ireo fotodrafitrasa nisy fahasimbana narenina taorian’ny rivodoza farany teo. Nandritra ity lanonana ity anefa dia mbola tsy natolotra ofisialy ireo fotodrafitrasa roa, ny « éxagone » sy ny TLC, satria mbola misy fanarenana ato aminy, fa ireo valo no natolotra sy hampiasaina  hanabeazana ireo mpianatra eo anivon’ny oniversite. Ny ONG SOA no niantoka ny fanarenana rehetra, ka ny filohan’ny fanavaozana no nikaroka ireo vola fanarenana rehetra, ka mihoatra ny 02 miliara ariary ny fanamboarana tao anatin’ny fanarenana natao tao Barikadimy. Mila asehon’ny mpianatra noho izany fa manaja zava-bita izy ireo amin’ny fampiasana ireo trano nasiam-panarenana, ary mila mianatra tsara izy ireo ho mendrika ny ezaka natao, hoy ny filohan’ny oniversite Barikadimy sy ireo mpanabe niatrika ny fanolorana natao. Nandritra ny fanolorana natao ity, dia nanao tatitra ny ezaka natao ho fanarenana an’i Toamasina taorian’ny rivodoza ihany koa ny jeneraly misahana izany eto Toamasina. Nambarany ary fa efa 100% ny fiverenan’ny herinaratra ho an’i Toamasina I fa mbola miandry kely ny ao Toamasina II. Roa hetsy m3 ny fako nangonina teto Toamasina I efa afaka. Ary vola mihoatra ny am-polony miliara Ar no nozaraina teto Toamasina I sy Toamasina II ary sakafo 1.300.000kg efa nozaraina teto hanamaivanana ny fiatraikan’ny rivodoza.

Malala Didier  

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici