
Nitrangana loza mahatsiravina tetsy amin’ny Temple sinoa Andranovelona ny alahady antoandro lasa teo. Lehilahy iray isan’ireo mpiambina an’ity toerana ity no latsaka tao anatin’ireo farihy manodidina ny Temple. Vokany, namoy ny ainy ity farany.
Tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro tany ho any no nitranga ny loza araka ny angom-baovao azo. Tamin’io fotoana io no nisy baolina lasa tao anaty rano. Niezaka ny naka io kilalao io ilay mpiambina. Azony soa aman-tsara ilay baolina saingy an-dalana hiala anaty rano sy hamonjy tany maina izy no niha-nilentika hatrany. Mbola nahavita niantso vonjy ity tovolahy 24 taona izy saingy tao anatin’ny fotoana fohy monja dia tsy hita intsony. Nampandrenesina avy hatrany ny tompon’andraikitra. Tonga teny an-toerana ihany koa ny mpamonjy niaraka tamin’ireo manam-pahefana sy mpitandro filaminana ary nisy ireo olona nikaroka azy nilaza ho mahafantatra tsara ireo farihy ireo. Ora efatra mahery taty aoriana vao hita ily tovolahy, izany hoe tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany folakandro tany ho any, izay efa vatana mangatsiaka sisa.
Marihana fa tsy mponina eto ity lehilahy ity fa olona avy any Manakara any ka efa nampandrenesina ny havany taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo.
Nezahina narovana moa io faritra nisehoan’ny loza io ary noraisin’nt zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fihaonana ny fanokafana ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.
m.L




