- Publicité -
jeudi, juillet 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadifotsy – Petite Vitesse : Mpiantsena naratra mafy, voaendaka sy voatsindrona antsy

Ankadifotsy – Petite Vitesse : Mpiantsena naratra mafy, voaendaka sy voatsindrona antsy

Tsapa tokoa tato ho ato izay ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, eny amin’ireo faritra rehetra tsy an-kanavaka eto an-drenivohitra, tsy andro tsy alina. Efa tsy mitsitsitsy intsony ireo mpanendaka sy olon-dratsy fa mba hahazoany izay zavatra sarobidy tiany halaina eny amin’ireo « hazany », tsy misalasala intsony ry zalahy ireo mandratra sy manindrona antsy ireo izay tratrany. Toy izay nitranga tetsy Ankadifotsy, ny alin’ny alakamisy lasa teo. Lehilahy iray no efa narahana bandy enin-dahy, mirongo zava-maranitra. Araka ny fantatra dia avy niasa ity lehilahy ity, tokony ho teo amin’ny 8 ora alina teo. Raha vantany vao niala ny fiara nandehanany izy dia nohodidinin’ireo olon-dratsy. Tsy nisy resaka, tsy nisy fampitahorana fa tonga dia daroka avy hatrany no nihatra tamin’ity lehilahy ity. Somary nanohitra ihany izy, raha ny filazan’ireo nanatri-maso, ka ny iray tamin’ireo olon-dratsy no avy hatrany dia nanindrona antsy azy. Teo amin’ny tendany no voa saingy afaka nitsoaka ireo mpanendaka ihany ny tenany. Tsy nitazam-potsiny ihany koa ireo nahita fa niantso vonjy ka nirifatra nandositra ireo enin-dahy saika hanao ny asa ratsiny. Nihazo ny lalana mankany Behoririka iny ireto farany ary dify tany anaty elakelan-trano tany. Fa torak’izany ihany koa teny amin’iny faritra Petite Vitesse iny, omaly vao maraina. Lehilahy iray, nandeha an-tongotra, handeha hody any Ampatsakana any, no nifanehatra tamin’ny olon-dratsy, voendaka sady voatsindrona antsy teny an-toerana. Tsy fantatra mazava aloha hoe inona no nanosika ireo jiolahy handratra avy hatrany ity olona ity. Raha ny fantatra mantsy dia tsy nahazo na inona na inona tany amin’ity lehilahy ity ireo olon-dratsy. Tsy vitan’ny noleran’izy ireo ny zava-maranitra mantsy ity olona ity fa mbola niharan’ny daroka ihany koa avy eo. Voa teo amin’ny lohany ity lehilahy ity, izay tsy afa-nanohitra akory. Nitsoaka avy hatrany ireo nahavanon-doza raha vao avy nahavita ny asa ratsiny. Nentina notsaboina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana moa ireo olona roa naratra ireo.

m.L

Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser