- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHalatra moto : Feno ny alin'ny alarobia teo

Halatra moto : Feno ny alin’ny alarobia teo

Fitarainana etsy, fitarainana eroa. Izany no hita vao maraina tao anatin’ny tambajotra sosialy omaly maraina. Betsaka ireo nilaza fa very kodiaran-droa. Tao ny nandritra ny vaky trano ny alin’ny alarobia. Tao koa ny nametraka moto vetivety tamin’ny toerana iray kanjo poa toa izay dia nanjavona ny moto. Manaporofo izany fa mirongatra indray ny halatra kodiaran-droa tato ho ato. Misy amin’ireo mpangalatra no azon’ny « camera de surveillance » sary eny an-dàlana. Izany hoe nisy nahavita nametraka fitoriana ara-potoana ary mba haingana koa dia nivoaka ny fangatahan’ny mpanao fanadihadiana alàlana hahazo ny tahirin-tsary eny amin’ireo orinasa na trano izay mety ho nandalovan’ny moto. Misy indray ireo izay ny sarin’ny moto fotsiny no naparitaka amin’ny tambajotra sosialy, sao mba mety misy nahita ihany na koa manam-baovao momba izany. Vetivety dia lafo ny moto noho izy ireny mora hanaovana taratasy hosoka. Ireny faktiora ireny fotsiny dia azo amarotana azy. Etsy ankilan’izany, misy koa ireo mpangalatra no manaboridana haingana ny entana ary amidy tsirairay ny piesy. Isan’ny mampirongatra haingana be ny halatra amin’io sehatra io izany rehetra izany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici