Tezitra mafy ary naneho hevitra mivantana tamin’ny tambajotra sosialy. Ny anton’izany araka ny filazany dia ny fanerena ireo olona handoro ody gasy tany amin’ny faritra Menabe. Nohitsiany ny Kolonely Faneva tao amin’ny fanehoan-keviny. “Finoana malagasy izy io koa maninoa no hitsakitsahana sa hanangana sekta i Kolonely ? Lazaina fa devoly daholo ny finoana Malagasy, ny olobe ny tangalamena sy ny sisa. Devoly daholo ve izany izahay? Ny ao amin’ny lalampanorenana dia milaza mazava fa malalaka amin’ny finoany ny tsirairay. Ilaina ny ody mba handresena ny ody. Samy tokony hampiasa ny fahaizany. Tokony hatambatra aza ny finoana tsirairay fa tsy hifamono. Tsy ekena ireny tany Menabe ireny, tsy tokony dorana ny ody gasy fa finoan’ireo olona ireo. Raha ny marina dia io aza no mba fiarovan-tenan’ireo vahoaka any ary tsy dahalo izy ireo. Io no mba entiny miaro tena amin’ny dahalo. Raha dahalo indray kosa no mitàna ireo ody dia iny no tokony hodorana ary ara-dalàna izany“, raha araka ny ampahan’ny fanazavany. Niteraka resabe tokoa ilay fandorana ody gasy tany Menabe. Mazava hoazy fa nizara roa hatrany ny hevitra. Tao ny mpino Kristiana izay nahita fa efa ela aza no tokony natao izany mba handresena ny ratsy. Tao koa anefa ny mpandala fomban-drazana no sosotra ary nahita fa fanimbazimbàna azy ireo ny zava-nitranga. Raha ny lalàna manan-kery indray izay hita ao amin’ny lalàna famaizana dia mbola voarara ny fitazomana sy fikirakiràna azy ireny. Saingy matetika rehefa misy olona manao ratsy (mpangalatra, mpanafika, dahalo sns) nahatratràrana ody gasy, izay vao tena mihatra ny lalàna.
D.R




