- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversNy faritra Atsinanana sy ny « région Normandie » : Tsara ny fiaraha-miasa...

Ny faritra Atsinanana sy ny « région Normandie » : Tsara ny fiaraha-miasa rezionaly, notokanana ny « atelier 501 »

Mihatsara hatrany ny fiaraha-miasa reziolany ho an’ny faritra Atsinanana sy ny « région Normandie » Frantsa. Tafapetraka ny ivontoerana iray ho fikarohana asa sy ny fiatrehana izany eto an-tampon-tananan’i Toamsia, eny Ampasimazava mifanila amin’ny sehatra mpisahana ny hetra teo aloha, izay simban’ny rivodoza Gezani farany teo. « Atelier501 » no iantsoana azy ity, ka ny fiaraha-manaon’ny faritra Atsinanana sy « région Normandie » ary ny « Alliance Française » eto Toamasina no nahavitana ny trano sy ny birao. Natao sehatra ho fiseraserana ho an’ny tanora mpitady asa ny ivontoerana, ka misy ireo filana rehetra amin’izany ny ao anatiny, toy ny efitrano fianarana sy efitrano fivoriana ary fanaovana fameleberan-kevitra samihafa. Eo koa ny efitrano misy ireo solosaina maro ahafahana mijery ireo tahirin-kevitra sy mikaroka asa ihany ko ho an’ireto tanora liana amin’izany. Tafiditra amin’ilay “forum Afrika-forward” natao tao Kenia izao fitokanana ny “atelier 505” ho an’ny tanora eto Toamasina izao, mba hanomezana sehetra ireo tanora arak asa sy ny manodidina izany. Ny tanjona mantsy dia hampisongadina ireo talentan’ny tanora araka asa sy ny fifanakalozana eo amin’ireo tanora sy ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny asa, ka izay no nahatonga ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa “Concentrix”, orinasa mpisehatra amin’ny “vente en ligne” eto Toamasina. Mpiara-miasa mafonja amin’ny fampivoarana ny tanora malagasy ny fiaraha-miasan’ny “region Normandie” sy ny faritra Atsinanana, izay efa nisy hatry ny ela.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici