- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmboditsiry : Mpangalatra moto noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny

Amboditsiry : Mpangalatra moto noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny

Raha ny fantatra dia efa hikoizana loatra amin’ny halatra moto ingahy, satria saika voatondro foana izy raha vao misy lasibatra tamin’iny faritra iny. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tra-tehaka am-bodi-moto mihitsy ranamana, saika hanosika scooter G6 iray teny an-toerana. Efa saika nirehetan’ny hatezeran’ny olona. Ny alakamisy lasa teo, mpangalatra moto raindahiny iray no voasambotry ny polisy teny amin’iny faritra Amboditsiry iny. Raha ny fampitam-baovaon’ ny polisy dia tokony ho tamin’ny mitataovovonana mahery tany ingahirainy no tra-tehaky ny fokonolona. Notazomin’izy ireo avy hatrany mandra-piandry ny polisy. Tao anatin’izany anefa dia efa saika niainga ny fitsaram-bahoaka. Efa tena leo tanteraka ny amin’ity resaka halatra moto ity mantsy ireo mponina ary ingahy tamin’izany dia voatonona foana ho isan’ireo mpangalatra saingy tsy mety nahitana porofo. Tamin’ny fakana am-bavany azy teny amin’ny biraon’ny polisy no niaikeny fa izy no tompon’antoka tamin’ny fangalarana moto Sym Fighter iray teny an-toerana, iray andro mialohan’io nahatratrarana azy io. Mbola izy ihany koa no tao ambadiky ny fahaverezana moto Racing King iray, teny ihany, iray volana lasa izay. Manana paikady manokana ingahy rehefa hanao ny asa ratsiny, hoy ny polisy, satria mitily ireny moto, mbola tavela lakile ireny izy ary entina toy tsy teo. Mazava ho azy fa mety efa manana ny olona mpandray ireo entana halatra azony ity lehilahy ity. Satria dia vetivety dia tsy hita eny aminy ireo moto very. Mbola ao anatin’ny famotorana azy tanteraka moa ny polisy amin’izao araka ny vaovao. Heverina fa hitohy hatrany amin’ireo mpandray, mpividy ary mpanadio moto halatra ny fanafihadiana. Ingahy kosa mbola notanana natao andrimaso mialoha ny hanolorana azy eny anivon’ny Fitsarana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici