- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Mahazo vahana ny halatra kaonteran-drano

Toamasina renivohitra : Mahazo vahana ny halatra kaonteran-drano

Tena very fanahy mbola velona mihitsy ny vahoakan’i Toamasina, fa taorian’ny rivodoza nanimba zavatra maro teto Toamasina renivohitra, dia ny fangalarana kaonteran-drano indray izao no mirongatra tsy misy toy izany eto, ka izay tratra aloha dia velon-taraina avokoa. Saika amin’ny sisin’ny fefy avokoa no apetraka ireo kaonteran-drano mazana, ka mora amin’ireo mpangalatra izany no miditra anaty fefy mangalatra azy ireny. Raha ny tamin’ny afakomaly alina sy ny teo alohan’izay dia efa kaonteran-drano telo no nisy nangalatra teto Toamasina renivohitra; fa ny talohan’izay efa maromaro ihany ary nanaovana antso teo anivon’ny jirama ny hahamailo ny rehetra momba izany eto Toamasina renivohitra. Matoa misy ny mpangalatra dia maro mpitady ny kaonteran-drano eto Toamasina, nefa tsy manana ny havoaka intsony ny eo anivon’ny jirama mahakasika izany. Sarotra ihany koa ny fanaraha-maso azy ireny fa tsy toy ny kaonterana jiro. Hatreto aloha dia ny fokontany Anjoma sy ny manodidina , sy fokontany Androranga, ary ny fokontany Depot Analakinina no tena lasibatra amin’ilay halatra kaontera, satria ilay very afakomaly dia Anjoma atsinanana. Ny fitandremana sy fahamailona ihany ny fiarovana azy ireny tsara indrindra, hoy ireo mpiasa teo anivon’ny orinasa Jirama, fa tsy misy azo atao raha very izany kaonteran-drano izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici