Na ny teto an-drenivohitra, na ny teny amin’ny lalam-pirenena dia feno mpitandro ny filaminana manakana fiara sy kodiaran-droa omaly. Omaly izay andro voalohany namerenana ny « police de la route ». « Tsy misy maharatsy izany ary ilaina ny fanarahan-dalàna. Saingy mihoa-pampana loatra kosa », hoy ny mpamily iray izay voasakana efa ho intelo nandritry ny fialàny tao an-trano ka hatreny amin’ny fanombohan’ny lalam-pirenena teny amin’ny by-pass. Zon’ny mpitandro ny filaminana ny manakana izay tiany hosakanana fa saingy kosa lasa niteraka fitohanana izany omaly rehefa ny rehetra tsy an-kanavaka no nosavaina taratasy. Betsaka indray no manahy ny hiverenan’ny kolikoly manoloana ity fanakanana mihoa-pampana ity. Eo indrindra no mila miasa mafy ny polisin’ny polisy (police des polices) izay miady amin’ireo izay mety nania. Raha tsy izany dia miverina amin’ny fanao teo aloha ihany ity resaka fifamoivoizana izay marefo amin’ny kolikoly sy ny fandikan-dalàna mety mampidi-bola ity. Torak’izany koa ny eny anivon’ny sampana mpitsirika ara-teknika ny fiara ary koa ny mpamoaka fahazoan-dàlana hitondra fiara na kodiaran-droa. Mila ezaka miaraka ny antanan-tohatra rehetra izay vao tena miverina milamina ny fifamoivoizana an-tanety.
D.R




