Hatairana ny an’ireo olona mipetraka manodidina an’ity trano fandraisam-bahiny iray ao Ambolomadinika P/elle 21/32 ity. Nitrangana fanafihana ny maraimben’ny talata teo tao amin’ity trano fandraisam-bahiny tokony tany amin’ny 2ora maraina. Olona sedra nandalo tratran’izy ireo no nasain’izy nandondona ny vavahadin’ilay trano fandraisam-bahiny toy ireo olona hanofa sy vahiny vao tonga ; ka nasain’ireo jiolahy voahaina ilay vavahady. Manodidina jiolahy 10 eo ireto andian-jiolahy ireto, ka misy ireo mitondra basy, misy kosa mitondra antsy be ary eo ireo mitondra baramina. Samy misaron-tava avokoa izy 10 lahy nandritra izany, ary navotsotr’izy ireo ireto nasain’izy ireo nandondona ilay vavahadin’ilay trano fandraisam-bahiny, ka ny enin-dahy niditra ilay trano fandraisam-bahiny ; ary nijanona tety ivelany kosa ny efa-dahy miambina izay mety miantso vonjy. Lasan’ireto andian-jiolahy avokoa ny vola maty ny tonton’ny andro tamin’ilay trano fandraisam-bahiny, ka nodarohan’ireto jiolahy ny mpandray vahiny (réceptionniste) sy ny mpiambina tao. Naharitra fotoana lavalava ihany ireto jiolahy tao amin’ilay trano fandraisam-bahiny, naharitra 30 minitra izy ireo tao amin’ilay trano fandraisam-bahiny. Lasa izy ireo taorian’izay ; izay koa vao afaka niantso mpitandro ny filaminana ireto lasibatra sy ny tompon’ilay trano fandraisam-bahiny. Eo am-pikarohana ireo jiolahy ny mpitandro filaminana ankehitriny.
Malala Didier




