Tovolahy iray 18 taona no natelin’ny rano vao maraina tokony tamin’ny 11ora tany ho any. Araka ny fantatra dia telo lahy izy ireo niaraka nilomano tamin’ity rano Rasoabe ao Manambato ity ary ireo roa avotra soamantsara. Niaraka nilomano izy telo lahy ka tampoka teo tsy hita ilay iray niaraka tamin’izy ireo ; fa tsy hay tampoka teo dia nanjavona tsy hita ilay olona iray niaraka tamin’izy ireo ; ary nokarohana fa tena tsy hita mihitsy. Nitohy hatrany ny fikarohana ka tokony tamin’ny 3ora dia hita ihany ilay olona nanjavona ary efa tsy nisy aina intsony. Mitondra ny anarana Ralison Anjaraniaina Michael Dylan ; ary avy any Majakandriana ny fiaviany. Heverin’ny olona nanota fady ireto mpilomano ireto ; ka izay no nanaovana ireo fombafomba tamin’ilay rano mba amoahana azy. Efa lasa any an-tanindrazany ny razana ; ary nanamafy hatrany ireo tompon-tany ao Manambato fa tokony hajaina hatrany ireo fady any an-toerana mba tsy ho tra-doza amin’ny fialan-tsasatra hatrehana atao any an-toerana.
Malala Didier




