- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLehiben’ny fileovana eto Toamasina : Nidina ifotony nijery ny fikatonan’ny trano fisotroana...

Lehiben’ny fileovana eto Toamasina : Nidina ifotony nijery ny fikatonan’ny trano fisotroana amin’ny alina

Efa lalàna misy ny fikatonan’ny trano fisotroana amin’ny 10 ora alina fa tsy filam-baniny akory, hoy ny lehiben’ny fileovana Toamasina. Natao ny fanakatonana izany mba tsy hampirongatra ny asan-jiolahy, satria any amin’ireo trano fisotroana ireo fikambanan-jiolahy no mialokaloka na “maka ody risika”, alohan’ny hanaovany ny asa ratsiny. Nisy ary ny alarobia alina teo ny fidinana ifotony nataon’ny lehiben’ny fileovana, Atoa Andriamanantsoa Philibert Hervé, niaraka tamin’ireo mpitandro ny filaminana nandamina ny trano fisotroana tsy mikatona amin’ny 10 ora alina io eto Toamasina. Fanamafisana ny lalana no atao, ka tsy maintsy misy ny sazy omena ho an’ireo minia tsy mikatona dia ny fanakotanana azy avy hatrany. Vokatr’ireo zava-nisy tato ho ato amin’ny fandravana, sy halatra samy asa, ary ireo vaky trano, izay nahazo vahana dia nisy koa ny fisavana kara-panondro, sy ny karatra ho an’ireo mpitondra fiara sy kodiaran-droa, izay mpivezivezy amin’ny alina. Misy koa ny fanenjehana ireo mpifoka sy mpidoroka ary ireo mpivarotra ireo zava-mahadomelina eto Toamasina. Atao hazalambo ireo mpanao izany ary efa natao hatramin’izay izany, hoy ireo mpitandro ny filaminana. Ny tanjona amin’izao hetsika izao dia ho famerenana ny filaminana eto Toamasina sy ny fandriampahalemana an-tanan-dehibe; tsy andro na alina fa hahenoana tsy filaminana hatrany. Ankoatra izay dia andian-jiolahy efatra nanao asa ratsy teto Toamasina koa no voatifitry ny polisy alina. Efa eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be izy efatra miaralahy voatifitra. Vokatry ny zavatra toy izao no mampihenjana ny fileovana eto Toamasina sy ireo mpitandro ny filaminana amin’ireo mpanao asa ratsy, efa ankatroky ny fetin’ny fahaleovan-tena raha teo isika, ka mila filaminana ny vahoaka satria mandritra izany mihintsy no mirongatra ireo jiolahy manao izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici