- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Tranom-panjakana nisy nandroba

Manjakandriana : Tranom-panjakana nisy nandroba

Ny alarobia teo no nisy niditra tao amin’ilay toerana, biraom-panjakana iray ao Manjakandriana. Tsy mba namaky trano akory ny anton-dia fa kosa nandrodana ny toeram-pivoahana ary koa naka ny biriky izay nampitsangana izany. Nalain’ireo olona koa ny tafo. Ny andron’iny ihany dia nisy nampandre ny polisy tao an-toerana. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia olona telo no voasambotra rehefa voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fidirana an-tsokosoko tao anaty fananam-panjakana ary koa noho ny halatra. Nambenana ny toerana nanomboka teo sao sanatria mbola misy tapody fohy mety ho ataon’ny sasany. Na izany aza mahalasa saina ihany ny fahasahian’ireo olona izay sahy miditra anaty toerana toa izao. Indrindra koa nahavita nijanona ela tao izy ireo matoa trano fivoahana no voarodana. Torak’izany koa, afaka nitatitra ny tafo. Anaty fanadihadiana tanteraka ny polisy ao an-toerana momba ity tranga izay niseho tany Manjakandriana ity. Raha ny fantatra, momba ity raharaha ity, dia nitory ny solontenam-panjakana ao an-toerana ary mbola mitohy ny fanadihadiana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici