
Tsy vao izao no nahenoana an’ity asa iray ity : « poste 10 ». Olon-tsotra, matetika lehilahy izy io ary milaza fa nirahina pôlisy haka vola amin’ireo fiara fitanteram-bahoaka. Ho an’ny sarambabem-bahoaka dia mety vitsy ny mahalala izany saingy ho an’ireo misehatra anaty fitateram-bahoaka dia efa diso malaza loatra indray. Ao anatin’ny fanaraha-maso natao hiadiana amin’ny kolikoly sy ny fanararaotana isan-karazany dia iray tamin’ireny olona ireny no voasambotry ny pôlisy tetsy amin’ny fiantsonan’ny fiara fitanteram-bahoaka ligne B, 67ha, omaly. Voalazan’ny fampitam-baovaon’ny pôlisy hatrany fa tsy vitan’ity fakàna vola tsy ara-drariny ity sy fisandohana ihany no hanenjehana an’ity tovolahy ity. Voarohirohy amina resaka fanendahana eny amin’io toeram-piantsonana io ihany koa ingahy. Nentina notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana avy hatrany tetsy amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito moa ingahy « poste 10 ». Tetsy andanin’izay dia manamafy ny pôlisy fa mba hitandreman’ireo mpamily sy ireo fiara fitanteram-bahoaka « mba tsy hanaiky hanome vola amin’olona manao fanerena na misandoka ho manampahefana » ary hampilaza azy ireo avy hatrany raha sanatria ka misy izany.
m.L




