- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversZaza varira : Nisy naka an-keriny, naratra ny rainy

Zaza varira : Nisy naka an-keriny, naratra ny rainy

Teo imason’ny dadany no nalaina tamin-kery ilay zaza. Novakiana ny trano ary nodarohana ilay raim-pianakaviana izay mazava loatra fa niezaka niaro an-janany hatramin’ny farany. Be no ho ny vitsy anefa ary tsy nahatohitra ireo olon-dratsy ny tenany. Naratra mafy ary mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly. Ilay zaza kosa lasan’ireo mpaka an-keriny. Tsy nisy nalain’ireo olon-dratsy ankoatra io zaza io. Izany hoe tsy mpamaky trano na mpangalatra entana fa kosa io zaza varira io no anton’ilay asaratsy. Miompana tanteraka amin’ny fikarohana ilay zaza ankehitriny ny mpitandro ny filaminana ao Toliara. Nanainga ny olon-tsotra izay mety ho manam-baovao ny fianakavian’ilay zaza sy ny mpanao fanadihadiana mba tsy hisalasala ny mampandre azy ireo. Azo heverina ho miady aman’aina io zaza io ary ilaina hita haingana. Ny atahorana mantsy dia na hatao sorona indray na hesorina maso, arak’izay natetika nitranga ary nahakasika ny olona varira. Zazavavikely izay vao herintaona sy tapany ity nisy naka an-keriny ity, toa Toliara.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici