Misy mikasa hanakorontana anio ary nivory teny Ambohimanarina izy ireo tamn’ny faran’ny herinandro, raha ny filazan’ny mpitandro ny filaminana.
“Araka ny vaovao na ‘renseignements’ » voaray eo anivon’ny mpitandro filaminana dia nisy fivoriana notanterahan’ny “zanak’i dada” teny Ambohimanarina…Tapak’izy ireo nandritra izany fivoriana izany fa hatao « lundi noir » ny alatsinainy 06 janoary 2014 (anio izany)…Tranon’ny kandida ho filoham-pirenena teo aloha fantatra amin’ny anarana hoe « dadafara » no ho lasibatra voalohany”. Avy amin’ny fampitam-baovaon’ny sampan-draharahan’ny serasera eo anivon’ny zandarimaria nasionaly no nahafantarana io vaovao io. Naparitaka tamin’ny mpanao gazety izany omaly maraina. Notohizan’ny fampitam-baovao mitovy fa “efa mandray ny fepetra rehetra amin’izao fotoana izao ny mpitandro filaminana mba hisorohana izany fanakorontanana izany ary tsy handefitra fa handray ny andraikiny amin’ny fisamborana ny mpanakorontana mba ho fitandroana ny filaminana sy ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany”. Inona indray no hitranga anio? Omaly ihany dia efa betsaka no nifampanontany, mahakasika ity toe-javatra ity. Mitombina ve ary efa nohadihadiana tsara io vaovaon’ny zandary io vao naparitaka amin’ny haino aman-jery toa izao? Raha sanatria mantsy ny mifanohitra amin’izany no mitranga dia heverina fa azon’ny voakasika ao anatin’ny raharaha tsara ny manenjika ara-pitsarana ny tompon’andraikitra amin’izany. Ny tsikaritra rahateo tato ho ato dia tsy mba misy hafatra ankoatra ny fandrahonana ny avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Toa ny hoe “tsy handefitra amin’izay mihoa-pefy…hisambotra avy hatrany sns”. Mahatonga ny olona hanontany tena ny amin’ny hoe tsy efa izany ve no asan’izy ireo amin’ny andavan’andro sy anakaramain’ny vahoaka azy? Raha resaka “renseignements” izany ve dia tsy maintsy voizina amin’ny haino aman-jery fa tsy ny mety ho paik’ady hiatrehana izany no atao? Ny antony mantsy dia mety hiteraka fikorontanan-tsaina ny vokatr’izany ho an’ny daholobe. Manaraka izany, inona ny tanjona amin’ny hanafihana an’i Dadafara, kandidà, izay raha ny fantatra aza dia nanana olana ara-bola noho ny fifidianana ka voatery nivarotra ny toeram-pivarotany. Andrasana ny mety ho fivoaran’ny raharaha sy ny valin’izany anio.
D.R