- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMarolambo : Vokatry ny hasarotam-piaro novonoiny ny vadiny

Marolambo : Vokatry ny hasarotam-piaro novonoiny ny vadiny

Ity ilay atao hoe mafy marina ny tia ka mahavita manao habibiana mihitsy hono izany fitiavana izany. Niaraka tokantrano izy roa ireto teo aloha, nefa nisarahan’ilay ramatoa noho ny antony tsy fantatra tampoka ilay rangahy ka niaraka tamin’ny lehilahy hafa izy. Mbola tia anefa ilay rangahy ka niezaka namerina ilay ramatoa niaraka taminy. Tsy nety mihitsy anefa ilay ramatoa noho izy efa misy olona miaraka aminy, ka teo no niakatra ny hasarotam-piaro tamin’ilay rangahy. Novonoiny nofirainy tamin’ny antsy be ny lohany sy hatony ary ny faritry ny tendan’ilay ramatoa ka naratra mafy mihitsy izay nitarika tamin’ny fahafatesana mihitsy. Izy nandeha tanaty ala iny no nararaotin’ilay rangahy namonoana azy, saingy efa hita tany an’ala moa ny fatiny taorian’ny famonoana azy. 45 taona ilay ramatoa izao maty izao, fa ilay rangahy kosa mbola ifampitadiavan’ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana noho habibiana vitany, izay efa nitsoaka taorian’ny famonoana olona nataony.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici