
Vola roa tapitrisa ariary mahery ariary teo no voalaza fa saika hosolokian’ity vehivavy iray tamin’ny “cash point” tetsy Ambohipo. Soa ihany fa mailo avy hatrany ny tompon’ny tsena ka nampandre ny mpitandro filaminana. Tsy vao izao fa efa ela no nirongotra ity fisolokiana eny anivon’ny “cash point”, ity. Paik’adin’ireo olon-dratsy indray amin’izao no mampiasa vehivavy amin’izay tsy dia misy ahiahy loatra angaha ilay tompon-tsena. Tamin’ity tranga tetsy Ambohipo ity dia ramatoa tsy nampoizina no tonga teo amin’ilay toerana fandefasam-bola, ny alarobia teo. Nilaza ity ramatoa ity fa handefa vola amin’ny laharaha roa samihafa, ary mitentina eo amin’ny 2.550.000 ariary ny fitambarany. Rehefa mitaky ny vola ho halefa ilay “cash point” dia somary arirarin’ilay vehivavy foana ary nolazainy fa hatambatra avy eo. Niafara tamin’ny fifamaliana moa ny raharaha ary tonga hatramin’ny fiantsoana mpitandro filaminana satria namofompofona fisolokiana ilay tranga. Tonga avy hatrany tokoa ny polisy. Rehefa natao tokoa ny fisavana an’ilay ramatoa dia tsy nahitana an’io vola voalaza fa alefany io tany aminy. Izany hoe tena nisy ilay fikasàna hisoloky. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny polisy moa ity ramatoa ity ho amin’ny tohin’ny famotorana. Raha tsiahiviana dia fanindroany amin’izao no nisy vehivavy mpisoloky amin’ny “cash point” voasambotry ny mpitandro filaminana tato anatin’ny tapa-bolana izay. Talohan’ity tetsy Ambohipo ity dia efa nisy voasambotra ihany koa teny Andoharanofotsy teny.
m.L




