- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversPangalanes : Feno tsinkafona sy fasika

Pangalanes : Feno tsinkafona sy fasika

Lasa mikorontana ny fifamoivoizana an-dranomamy eo amin’ny lakan-dranon’i Pangalanes. Ny antony dia sady feno tsinkafona no miakatra ny fasika. Lasa sarotra araka izany ny fiaingan’ireo vedety na fitaovam-pitaterana hafa izay matetika anefa no mitondra mpizaha tany. Mihoatra noho ny fifamoivoizana an-tanety ny fitohanana ary ny voalohan’ity herinandro ity dia efa naharitra adiny dimy izany. Kivy ny mpizaha tany. Izy ireo anefa no tena manjifa sy mampidi-bola avy amin’ny alàlan’ny fitsidihana ny tanàna manamorona iny lakan-drano iny. Tsy misy ny fikojakojàna ny lakan-drano ary mazava loatra raha tsentsin’ny fasika ny làlana. Ahiana hisy fiantraikany ara-toekarena ny toe-javatra, satria eto amintsika dia isan’ny tena mamelona ny fizahan-tany. Izao anefa dia hihena indray izany raha tsy misy ny fandraisana andraikitra maika. Indrindra koa, ny mpizaha tany dia mifampita vaovao ary hanome hanakana ireo izay mbola tokony ho avy ny endrika ratsy izay hitan’ireo nialoha azy ireo.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici