Tsy hay marina na ilay tsy fanajana ny andro talata, andro fady fiasana, na inona no nampihotsaha tampoka ny tany nangadian’ireto olona maromaro nihotsaka tampoka. Voalaza mantsy fa fady iasana andro talata ao amin’ny faritry ny nitrandrahan’izy ireo, tao amin’ny kaominina Niherenana, distrikan’i Vatomandry ao, araka ny tenin’ny olombe any an-toerana. Lehilahy 11 be izao no indray maty vokatr’izany tsy fanajana fady izany. Efa niasa alina, alatsinainy nofoha talata, ireto mpitrandraka volamena ireto vokatr’izany, fa nony tonga ny talata dia izao nihotsaka izao ny tany teo ambonin’izy ireo. Vao naheno izany ireo fokonolona tao Niarenana dia nanao tsy omby aloha niezaka namonjy azy ireo mba hanavotana ireto mbola velona tamin’ity loza ity. Avy amin’ireo kaominina manodidina moa ireto maty ary mbola misy erotrerony izy ireo, satria 21 taona ny zandriny ary 49 taona ny zokiny tamin’izy ireo. Araka ny vaovao avy any an-toerana dia ireto avy ny anaran’ireo olona 11 maty tototry ny tany tao Niarenana ireto, nisy koa ny vaovao voaray fa nisy ireo olona maty avy amin’ny distrikan’i Vavatenina sy Antanambao Manampontso. Nola (Antsampanana) – Benandrasana (Amboditavolo) – Botozafy Freddy (Ambodivandrika) – Nomenjanahary Landry (Ambodivandrika) – Nick Rolland (Antenina Vavatenina) – Raldo (Antsampanana) – Olivier sy Harinoy (Niharenana) – Benet (Tsiavazana) – Patrick ( Antsampanana) – Tofy (Ambirano) – ary Lex avy ao Vohibary.
Malala Didier




