Raha azo lazaina fa nilamina tanteraka ny teo Analakely fotoana vitsy lasa izay, dia miverina manao ny ataony indray ireo tontakely eny amin’iny faritry ny Espalanade sy Arcade iny. Tsy vitan’ny manendaka tsotra intsony izy ireo, fa miafara amin’ny fandratrana ireo olona azony mihitsy. Toy izay nitranga ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 3ora sy sasany tany ho any, teo amin’ny Esplanade Analakely. Vehivavy iray, handeha hiantsena no nendahina tovolahy maromaro. Raha ny fantatra dia angamba mety voatily lavitra io vehivavy ary niandry fotoana fotsiny ireo olon-dratsy. Avy hatrany mantsy dia nohodidinin’izy ireo ary natosiny nianjera tamin’ny tany. Naratra mafy vokatr’izay fianjerana izay ilay ramatoa. Azon’ireo mpanendaka mora tamin’izany ny firavaka volamena teny amin’ity vehivavy ity. Vao vitany ny asa ratsiny, dia toy ny mahazatra, nitsoaka tany anaty vahoaka be tany ireo olon-dratsy. Fa iray ihany koa, teo akaikin’ny « arcade », omaly maraina. Vehivavy iray nandeha fiara no nifandritahana bandy telolahy. Araka ny fanazavana azo avy tamin’ireo mponina teo amin’ny manodidina, dia saika hijanona haka « parking » ity vehivavy ity no tonga tsy nahy ireo mpanendaka ireo. Tao anatin’ny indray mipi-maso monja no nisintonan’ireo olon-dratsy ilay firavaka volamena teny an-tendan’ilay vehivavy ary nitsoaka toy ny tsy teo izy ireo avy eo. Mazava ho azy, tsy afaka ny nanao ninoninona ilay vehivavy ; izay izy irery ihany no tao anaty fiara. Mampametram-panontaniana ihany hoe : inona indray no nampirongatra be ireo jiolahy mpanendaka sy mpanindrona antsy, tato ho ato izay teny amin’iny faritra Analakely sy ny manodidina iny ? Vao tamin’ny zoma ihany koa mantsy no nisy lehilahy iray handeha hody sendra ny mpanendaka, teny amin’ny Petite Vitesse iny. Tsy nisy alaharo alaharo indray tamin’izay fotoana izay fa avy hatrany dia tsindrona antsy no niantefa teny amin’ity lehilahy ity, izay soa ihany fa avy hatrany dia nahazo ny fitsaboana sahaza azy teny amin’ny hôpitaly.
m.L