
Olona enina no naratra mafy ary fiara folo no simba tanteraka. Izany dia vokatry ny fahatapahan’ny “frein” an’ny kamiao iray an’ny Samva; izay miandraikitra ny fangalàna fako teny Faravohitra sy ny manodidina omaly. Teo amin’ny firavan’ny fiangonana Katolika teo an-toerana, manodidina ny mitataovovonana, no nitranga ny loza. Tafiditra tao anatin’ny sarotra tanteraka ny saoferan’ilay kamiao satria sady be olona nandeha ny arabe, indrindra ireo izay vao avy nivoaka tao am-piangonana, no marobe ihany koa ny fiaran’ny mpiangona izay nipetraka antsisin-dàlana. Ny làlana rahateo fidinam-be ary ilay kamiao navesatra tanteraka, satria vao avy naka fako mihitsy ary dian’ny hanary an’izany eny Andralanitra. Tao anatin’izay rehetra izay anefa no tapaka ny hisatra. Olona enina no naratra mafy tao anatin’ity lozam-pifamoivoizana ity raha araka ny vaovao azo avy amin’ny pôlisy. Nisy mpianaka kely izay voatery nosintomin’ny mpamonjy voina tao ambanin’ny fiara mihitsy vao avotra. Novonjena avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana ireo naratra rehetra ary ilay mpamily kosa, rehefa vita ny fijerena ifotony nataon’ny pôlisy, dia nentina teny amin’ny birao teny Tsaralalàna. Kivy tanteraka ny olona raha nahita ny zava-nitranga. Nivadika maloka ny endriky ny maro izay vao avy miramirana tao am-piangonana raha nahita ny fiara potika tanteraka tety ivelany. Raha ny fantatra dia noraisin’ny tompon’ilay kamiao an-tànana ny lany rehetra tamin’ny famonjena ireo naratra. Io fiara io mantsy dia nofain’ny Samva amin’ny olon-tsotra, raha araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny pôlisy hatrany. Tezitra ihany koa ny olona satria efa tafahoatra loatra ny afitsok’itony kamiao mpaka fako itony. Raha tsy mibahana arabe ka manelingenina ny fifamoivoizana rehefa manao ny asany, dia miteraka lozam-pifamoivoizana matetika. Efa betsaka ny nitondra takaitra rehefa nodomin’izy ireny ary nisy aza ny namoy ny ainy. Mandeha ny feo fa tsy misy “assurance” akory ireny fiara ireny ary koa tsy mila “visite technique” izany. Raha izany no mitranga dia ho afa-maina fotsiny ireo olona nitondra takaitra sy simba fananana omaly. Inoana anefa fa tsy ho vita mora toa izany ity raharaha ity satria ny tsy fisian’izany fahatomombanana izany indrindra, raha ho izany tokoa, no mainka koa mahadiso ny tompon’ny fiara sy ny Samva izay manofa fiara tsy marim-pototra sy tsy manara-dalàna izany, raha tena izany tokoa…
D.R