Nosakanan’izy ireo ny fanamboaran-dalana manoloana ny toeram-pivarotan’izy ireo. Izany no niseho teny amin’ny Rocade Tsarasaotra ny alakamisy teo. Tetikasam-panjakana anefa ny fanamboaran-dàlana izay mampitohy an’Ivato-Tsarasaotra. Nitaraina ireo orinasa mpanao làlana ary nampandre avy hatrany ny minisiteran’ny asa vaventy raha vao nitranga ny olana. Tonga teny an-toerana ny zandary ary nanao fanelanelanana ny roa tonta. Rehefa izany dia nanaiky ihany ireo mpivarotra antsisin-dàlana saingy kosa nangataka tambiny dia ny mba hanasiana làlana mizotra ao amin’ny toeram-pivarotana. Nasaina nanao taratasy fangatahana arak’izany ary koa nanaiky fa tsy hiteraka fanelingelenana intsony. Nisy fotoana rehefa nisesy ny lozam-pifamoivoizana teo an-toerana dia namoaka didy ny kaominina ny handravàna ireo toerana. Nahatsapa mantsy ny manam-pahefana fa isan’ny mitera-doza ny fisian’ny fivarotana zava-pisotro mahamamo eo amin’ny manodidina. Nisy fanoherana anefa izany ary mandrank’ankehitriny dia tsy tontosa. Izao indray dia mbola sakanan’izy ireo indray ny fanamboarana ny làlana izay isan’ny tokana mba tsara eto an-drenivohitra. Hatreto dia vitan’ny bodongerina izany aloha raha ny momba ny tranga eny Vavafolo. Efa nivezivezy teny ny manam-pahefana, ny mpitandro ny filaminana fa niala maina hatrany. Raha ny fantatra dia misy raharaham-pitsarana efa mandeha momba ny fisian’ny toeram-pivarotana eny an-toerana.
D.R




