- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndriampamaky : Lehilahy tsy salama saina namono nahafaty ny anabaviny

Andriampamaky : Lehilahy tsy salama saina namono nahafaty ny anabaviny

Tsindron’antsy maromaro no nintefa teny amin’ity vehivavy ity izay nitarika hatrany amin’ny fahafatesany. Nahavanon-doza teto dia tsy iza fa ny anadahiny ihany.

Nitrangana vono olona mahatsiravina tao Ankazondandy, distrakn’i Manjakandriana ny marain’ny alakamisy lasa teo. Mpianadahy iray tampo no niady ary niafara tamin’ny rà mandriaka sy fahafatesan’ iray mihitsy. Araka ny fantatra dia tsy tao an-toerana ny renin’izy ireo tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Voalaza mantsy fa niala vao maraim-be tao an-trano ity farany namela azy dahy irery tao. Nisy ny fifamaliana teo amin’izy dahy ireto taorian’izay, toy ireny andin-jaza mifanarakaraka ireny, saingy tsy adin-jaza intsony no niseho teto fa tonga hatramin’ny fandraisana zava-maranitra mihitsy. Voalaza mantsy fa manana aretin-tsaina ilay lehilahy ka mety tsy nahazaka an’ilay fifamaliana fa avy hatrany dia ny hamono no tao an-tsainy. Tsindron’antsy marobe no niantefa teny amin’ilay vehivavy : teo amin’ny lohany, feny ary nu vatany iray manontolo. Nandriaka ny rà tao an-trano ary namoy ny ainy vokatr’izay ratra marobe izay ilay vehivavy. Nisy naheno mantsy ny ady nataon’izy dahy ary ny antso vonjin’ilay vehivavy no nampikoropaka ny fokonolona. Niezaka namonjy ihany ireto farany saingy indrisy fa tara loatra. Teo no eo ihany moa dia nohezahina nofehezina ilay lehilahy marary saina ary nasaina naterin’ny havany any amin’ny toby fitaizana olona tsy salama saina mba hisorohana ny zavatra hafa izay mety hotanterahiny. Na izany aza dia nanokatra ny fanadihadiana ihany ny tompon’andraikitr’ny filaminana tany an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici