
Diabe na Carnaval nianga avy eny amin’ny « Rond point, » eo akaikin’ny kianjan’ny 29 Martsa no nentina nanamarihana ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana ny zoma faha 05 jona taona 2026 lasa teo iny. Izay nampitondrana ny lohahevitra hoe: « Arovy ny tanintsika, tsinjovo ny zava-boary, mandraisa andraikitra ho an’ny toetr’andro amin’ny alalan’ireo vahaolana Lovain-jafy eny ifotony. » Nisongadina nandritra fandraisam-pitenenana teny amin’ny kianjan’ny La Place, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra, taorin’ny carnaval natao ny fotoana hanehoana ny asa tsotra isan’andro toy ny fanajana ny ala, fanadiovana ny manodidina, tsy fanariana fako eny rehetra eny, fanentanana ny ady amin’ny doro tanety mba ho hery lehibe hanamafisana ny fiarovana ny tontolo Iainana no tsy andraikitry ny vitsy, fa adidy iraisana. Anisan’ny noentina nanamarika izany ny fitsidihana trano heva, nataon’ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny. Hetsika maro samihafa, tamin’ny alalan’ny fizarana loka isan-karazany, avy amin’ny fikambanana SA.FA.MA sy ny avy eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy aty an-toerana no hita nandritra izany. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra, fa nofaranana tamin’ny fifaninanana Sekolinay madio andiany voalohany, nokarakarain’ny « Sampana Fanadiovana Maharitra » ny hetsika fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo Iainana teto.
Ratantely


