Tena efa tanambo mihitsy ity mihatra amin’ny distrikan’i Marolambo ity ankehitriny. Taorian’ilay fahamaizan’ny tanàna vao tsy ela akory izay, dia izao indray havandra toy ny haben’ny totohondry no nirotsaka tany an-toerana vao tsy ela akory izay. Tsy mpateti-mpitranga any an-toerana izany toe-javatra izany, ka nahagaga ny mponina, satria dia tampoka be ny fitrangany. Araka ny fanazavana dia tokony ho tamin’ny 03 ora sy sasany tany ho any ny alatsinainy teo, dia karazan’oram-baratra sy kotroka no nitranga tany an-toerana. Marolambo rahateo tanana voahodidina ala, ka izay angamba no nitrangan’ilay kotroka tampoka. Niaraka tamin’io oram-baratra ny tolankandro ilay havandra toy ny totohondry, ka tsy noraisina intsony ireo voly natao teny an-tsaha fa potika avokoa vokatra izany. Nambaran’ireo vahoka afa potika saika 100% avokoa ny fambolena toy ireo vary efa hatoy teny an-tanimbary sy horaka ary tanety. Ireo biby fiompy maty nilatsahan’ny havandra, toy ny akoho amam-borona, tsy nisy kosa ny olona maty nilatsahana havandra na izany aza. Na tany be ala sy be orana aza ny tananan’i Marolambo dia mbola tsy nisy tranga toy izao, hoy ireo olo-maventy ela netezana tao an-toerana, ka izany no nilazan’ireto mponina fa efa miova marina ny toetrandro ankehitriny, ka mitondra zava-mahatsiravina amin’ny fiarahamonina. Ny tao Betampona no tena voa mafy tamin’izany, nefa nahitana havandra toy izany koa tao tampon-tanana, ary ny tao amin’ny kaominina Ambatofisaka.
Malala Didier




