- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRongony mahery : Mpanaparitaka sy mpitsindrona rôrô telolahy voasambotra

Rongony mahery : Mpanaparitaka sy mpitsindrona rôrô telolahy voasambotra

Misoko mangina eny anivon’ny fiarahamonina eny ny fiparitahan’ity rongony mahery vaika, mampitondra faisana olona maro ity. Tsy mitsahatra fa mitohy manarak’izay ihany koa ny ady atao aminy. Ohatra amin’izany ny fahatratrarana telolahy nampiahiahy teny amin’iny faritra Mandrosoa Ivato iny. Nahitàna rongony rôrô tamina fonosana tany amin’izy ireo. Tsy fantatra hatreto na mpitsindrona izy ireo na ireo mpanaparitaka.

Araka ny fampahafantarana nataon’ny zandary dia nandritry ny fisafoana nataon’ireto mpitandro filaminana ireto teny amin’iny faritra Mandrosoa Ivato iny no nahasamborana an-dry zalahy ireto, ny alin’ny alatsinainy teo. Tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina tany ho any mantsy dia nifanena tamin’ireo mpanao fisafoana izy ireo. Nampiseho fihetsika nampiahiahy ka nisy avy hatrany  ny fanakanana sy ny fisavàna azy ireo. Ambonin’izay moa dia voalaza fa samy tsy misy karam-panondro ry zalahy ka vao maika nihamafy ny ahiahy. Nandritra io fisavàna io no nahitàna vovon-javatra tsara fonosana tany am-paosin’ny iray. Nibaboka avy hatrany izy ireo fa rôrô ilay izy. Tsy nisy resaka fa nentina nihazo ny birao avy hatrany izy telolahy ireto ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana, mialohan’ny hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici