- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOniversiten’ny barikadimy Toamasina : Mitaky ny toky nataon’ny banky iraisam-pirenena taminy

Oniversiten’ny barikadimy Toamasina : Mitaky ny toky nataon’ny banky iraisam-pirenena taminy

Niandry vasoka amin’ny nataon’ny banky iraisam-pirenena ny mpianatra sy  ireo mpandraharaha eo anivon’ny famatsiam-bolan’ny banky iraisam-pirenena, izay milaza hanampy ny oniversiten’i Toamasina, amin’ny fanarenana azy taorian’ny rivodoza farany teo izay nanimba tanteraka ireo fotodrafitrasam-pampianarana. Tonga nijery ny zava-nisy teo anivon’ny oniversite mantsy izy ireo taorian’ny rivodoza nijery ny fahavoazana ary nilaza ny hanome famatsiam-bola vokatra izany araka ny tenin’ny Atoa Seck solontena azy ireo.

Efa-bolana aty aoriana mbola tsy nisy ilay famatsiam-bola natao ka niandry vasoka teo ny oniversiten’i Toamasina, ary mbola mitafo lanitra ny anakamaroany na teo aza ny ezaky ny fitondram-panjakana nanao izay afany tamin’ny fanamboarana izay vitany aloha. Talohan’izany rehetra izany anefa dia nisy ny fihaonana teo amin’ny solontenan’ny banky iraisam-pirenena Atoa Seck sy ny ekipan’ny oniversiten’i Toamasina notarihan’ny filohany Pr. Razanakolona Diny niaraka tamin’ireo mpianatra. Nambaran’ity solontenan’ny banky iraisam-pirenena ity tamin’ireto ekipan’ny oniversiten’i Toamasina tamin’izany, fa horaisin’izy ireo an-tanana ny fanavaozana ireo pitsopitson’ny rehetra simba sy ny takaitra noho ny rivodoza «gezani ». Nambarany fa mialoha ny fanarenana dia hamboarina aloha ny resaka herinaratra mba ahafahan’ny mpianatra mamahana ny finday sy miasa ary mianatra tsy ao anatin’ny haizina. Ao anatin’ny enim-bolana, nanomboka ny 07 mars lasa teo izany, ny anaovana izany ary asiana « WIFI » ny oniversite ahazoan’ireto mpianatra fahalalana samy hafa. Nefa hatreto 90 andro mahery aty aoriana mbola tsy misy izany ary niandry  vasoka teo  ireo mpianatra – ireo mpampianatra – ary mpandraharaha ny oniversiten’i Toamasina Barikadimy.

Vokatra izany dia nandray anjara tamin’ny fanarenana avokoa ireo orinasa lehibe teto Toamasina, ka isany nandray anjara lehibe tamin’ny fanarenana ny seranan-tsambon’i Toamasina, nefa ankehitriny mbola fotodrafitrasa 30 no tsy voakitika eo anivon’ny oniversite efatra volana taorian’ny rivodoza. Manao antso avo amin’ny banky iraisam-pirenena vokatra izany ireo ekipan’ny oniversite mba hanetsika ilay fanampiana azy ireo, mba ho fanarenana ireo tsy mbola vita eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici