- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Olona iray maty, roa naratra

Maevatanàna : Olona iray maty, roa naratra

Nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana indray ny teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, teo amin’ny halaviran-dàlana: ( Pk 310+650 ) ao amin’ny fokontany Morarano, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra, ny alatsinainy faha 08 jona taona 2026 teo iny, tokony tamin’ny 02 ora tolakandro. Izay naharatrana olona roa sy namoizana olona iray. Ny angom-baovao voaray hatrany no nahalalana fa fiara marika BMW X5 avy any Antananarivo hihazo an’i Mahajanga no tsy nahafehy ny familiana noho ny fivakisan’ny kodiarana havanana aoriana. Somary miolaka miankavia niditra ny tanàna. Vokany: Olona niisa telo namaky vato teo amin’ny sisin’arabe no voadonan’ilay fiara. Taorian’izay anefa, dia nidina nalaky teny amin’ny toerana nisehoan’ny loza ny polisy miasa eto Maevatanàna, rehefa nahare ny zava-nitranga. Hany ka nentina namonjy ny toeram-pitsaboana ao amin’ny  » CHRR Morafenokely,  » ato amin’ny renivohitry ny faritra Betsiboka, ireo olona tra-doza. Ny olona roa tao anatin’ny fiara dia voamarina, fa tsy nisy naninona nandritra ny lozam-pifamoivoizana niseho. Vokatry ny fahasarotana teo amin’ny fitsaboana, ny iray tamin’ireo naratra dia voatery nalefa any Mahajanga. Noho ny ratra sy dona mafy nahazo azy dia voalaza fa namoy ny ainy ihany, ity farany. Efa niverina sy eo am-pelatanan’ireo fianakavina kosa ny razana hatreto. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa ny kaomisarian’ny polisy miasa aty Maevatanàna no mandray an-tanana ny fanadihadiana, ary manentana ireo mpamily hatrany izy ireo mbsa hitandrina sy hijery ny lafiny ara-tekinikan’ny fiara, alohan’ny hiaingana, ary hanaja ny hafainganam-pandeha sy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana eny am-pandehanana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici