- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMarais Masay : Nahitàna fatin'olona tsy fantatra

Marais Masay : Nahitàna fatin’olona tsy fantatra

Taitra ny mpandeha amin’ny manamorona ny Marais Masay omaly antoandro raha nahita olona natsingevan’ny rano. Rehefa nojerena akaiky dia efa tsy nihetsika intsony. Nampandrenesina ny manam-pahefana ary rehefa nozahana dia efa vatana mangatsiaka no hita. Nentina eny amin’ny tranom-paty rehefa vita ny fitsirihina ifotony nataon’ny polisy sy ny mpitsabo. Raha nojerena tampoka dia toy ny akanjo nariana ka nakopakopaky ny rano. Indrisy anefa fa nisy razana nihohoka tao ambanin’izany. Mety ho izay koa no tsy nanaitra ny olona sasany raha nandalo teny an-toerana. Azo heverina arak’izany fa mety efa ho ny alina no teo io razana io saingy omaly antoandro izay vao tena nanaitra ny sain’ny olona. Ny tsikaritra dia mbola betsaka mpisaka trondro eny amin’iny Marais Masay iny ary efa tsy misy mandraharaha intsony aza na dia mbola mihatra ny lalàna monisipaly izay tsy mamela izany. Isan’ireny olona ireny ve ity hita faty ity sa kosa olon-kafa mihitsy sa koa sanatria novonoina tany an-kafa ary natsipy tao nony avy eo? Isan’ny niverimberina teny an-toerana izany fanontanian’ny olona izany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici