- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFikaondohan’ireo tanora teto Toamasina : Vonona hiaro izany eny anivon’ny nasionaly ny...

Fikaondohan’ireo tanora teto Toamasina : Vonona hiaro izany eny anivon’ny nasionaly ny talen’ny fanavaozana Atsinanana

Nitontosaina ny alarobia sy ny alakamisy teo ny fikaonandohan’ireo tanora teto anivon’ny faritra Atsinanana. tsy nahatonga solontena nandritra izany ny tao Marolambo sy Antanambao Manampontsy, ka nampitondra ny soso-keviny tamin’ireo distrika mifanakaiky taminy, mba ho re izany feon’izy ireo izany. « Aoka samy hanaposaka avy ny heviny ny rehetra fa tsy misy bedy eto ary ny hevitra avy any aminareo ny tena ilaina », hoy ny lehiben’ny fileovana Toamasina nanokatra ny fikaonandoha tao amin’ny PACT, na ivontoerana an’ny seranan-tsambo fanaovana fivoriana. Lohahevitra dimy no nodinihana nandritra ny roa andro, ka teo ny politika sy fifidianana – ny lafin’ny sosialy – ny fitondrana tsara tantana – ny toekarena sy fampandrosoana – ary ny resaka tontolo iainana. Raha ny fandraisana azy dia nahitan’ireto tanora ireto soso-kevitra 16 avy ireo olana rehetra tao anatin’ireto lohahevitra ireto, ka nisy ny famintinana izany teo anatrehan’ny fanjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny lehiben’ny fileovana niatrika ny famaranana ny fikihaonandoha ny alakamisy tolakandro teo. Nilaza izy nandritra izany fa « tena tanora manan-kevitra ny tanoran’ny faritra Atsinanana,  ka mino aho fa tsy hisy ho latsaka ireny hevitra rehetra  ireny ». Nilaza koa ny talem-paritry ny Fanavaozana Atsinanana, Rtoa Voizy Blondine, fa « tena hitondra ireo hevitrarehetra eny anivon’ny fikaonandoha nasionaly, mba tena hanana ny heviny ny tanoran’ny faritra Atsinanana sy i Toamasina mihitsy izany ».

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici